- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Adala matanjaka nitondra vy maranitra, olona telo naratra

Itaosy : Adala matanjaka nitondra vy maranitra, olona telo naratra

Omaly tolakandro, nisy adala matanjaka nitondra vy maranitra ary nanindrona sy nively izay olona nifanena taminy, teny amin’ny Cité Itaosy. Araka ny vaovao voaray dia nisy maromaro ihany no voa tamin’izany fa telo no voalaza fa tsy maintsy nampidirina hopitaly. Raha vao nahita ny fihetsik’ity olona marary saina ity ny mpandeha dia samy nandositra nanavotra aina avokoa. Na izany aza anefa, nisy ihany ny be herim-po nisamboatra azy. Tetsy andaniny, nisy koa ny niantso ny polisy eny an-toerana. Talohan’ny nahatongavan’ny mpitandro filaminana anefa, efa nodarohan’ny olona ity voalaza fa adala ity. Naratra mafy tokoa izy voaktr’izany. Soa fa nalady tonga ny polisy nanakana ny olona izay efa tezitra avokoa. Mba nitony ihany ireo vahoaka marobe ireo. Avy hatrany dia nentina tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ilay izy. Nandeha ny resaka mikasika azy io ka ao ny nilaza fa tena tsy salama saina tokoa izy. Misy indray anefa miresaka fa toa hoe mody adala ny anao. Fa ny itambaran’ny rehetra dia efa fotoana elaela no nahitana azy somary mihetraketraka izay. Amin’izao fotoana izoa dia toa ohatra ny mitombo ny tsy salama saina miriaria eny an-dalana eny. Efa misy ny toerana tokony hitsaboana azy. Bebe ihany anefa ny fandaniana tsy maintsy atao amin’izany ka ankevitry ny tsy arak’izay tokony hitsabo azy, dia ireny izy ireo mirenireny fotsiny eny an-dalam-be rehetra eny.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser