- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy - Ambonisoa : Lehilahy 61 taona maty teny an-dàlana

Itaosy – Ambonisoa : Lehilahy 61 taona maty teny an-dàlana

Ny alarobia antoandro teo no nisy lehilahy lehibe iray nitambotsotra tampoka teo anoloan’ ny BFV Itaosy , ka niankarapoka tampoka tamin’ny tany. Vaky noho izany fianjerana izany ny lohany ka nijininika teny amin’ny akanjony ny rà, taitra noho ny zava-nitranga ny manodidina ka avy hatrany dia namonjy ity raim-pianakaviana ity,  ny sasany nibata azy avy hatrany tao anaty fiara karetsaka teo akaiky. Avy hatrany moa dia namonjy nankeny amin’ny Biraon’ny  zandarimariam-pirenena ilay saofera niaraka tamin’ilay lehilahy.

Rehefa nahita izany ny tao amin’ny zandary, dia nandefa ilay marary tany amin’ny hopitaly ho famonjena haingana ny ain’ity naratra. Teny an-dàlana anefa dia tsy tana intsony ny ain’ity rangahy izay efa tena reraka tokoa. Raha ny resaky ny manodidina izay nahita ny zava-niseho, dia mety ho tapaka lalandrà no nahavoa ity olona ity. Rehefa nosavaina moa ny antontan-taratasy teny aminy, dia hita tao avokoa ireo taratasy sy nomeraona findain’ireo zanany sy olona akaiky azy.

Marihina fa mahatehidera tokoa ny fandraisana andraikitra nataon’ny manodidina sy ny fanapahankevitry ny zandary tetsy Itaosy nandefa ity tsy salama teny amin’ny hopitaly.

Alem

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser