- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Andian-jiolahy nanafika tokantrano, 2 tapitrisa ariary very

Itaosy : Andian-jiolahy nanafika tokantrano, 2 tapitrisa ariary very

Sivy lahy raindahiny amin’ny famakiana trano indray, no ravan’ny pôlisy eny amin’iny faritra Itaosy iny, ny voalohan’ny volana aprily lasa teo. Misy mihitsy aza ny taratasim-pokonolona manondro ireto andian-jiolahy ireto ho tompon’antoka tamin’ireo fahavakiana trano maromaro teny amin’iny faritra Itaosy iny : Antsahamasina, Ambodifasina, Ambohiparaky, Ambodifasika. « Ny 28 hifoha 29 martsa tamin’ny 11 ora sy 30 mn alina lasa teo teny Atsahamasina. Nisy tokantrano iray notafihan’andian-jiolahy maromaro. Very tamin’izany ny zavatra mitentina 2400000Ariary. Io fotoana voalaza io ihany, nisy tokantrano hafa ihany koa voatafika ka tratra am-bodiomby teo am-panapitsohana trano ny iray tamin’ireo olon-dratsy » hoy ny vaovao. Ity tratra ity nony avy teo no nanoro ireo namany efa mpiaraka aminy rehefa mandeha mamaky trano izy ireo. « Ny fomba fiasan’izy ireo dia tsy mitondra basy fa antsy no entina ary miditra an-keriny ao an-tranon’olona miaraka amin’ny fandrahonana » raha ny fanazavana hatrany. Omaly ihany moa izy sivy lahy ireto dia efa natolotra ny Fampanoavana, Anosy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici