Velon-tebiteby ny ray aman-dreny, indrindra ireo manana vavy kely ny amin’ny fakampanahy maro mahazo azy ireny.
Nahazo fitarainana ny zandary eny Itaosy, fa nandritra ny iray volana dia misy olona tonga milaza fa nisy zaza tsy ampy taona very na tsy mody an-trano foana teny amin’ny manodidina. Ny farany teo izao dia ankizy vavy vao efatra ambin’ny folo taona monja tsy hita nanomboka ny 27 febroary teo ka ny sabotsy 1 martsa vao hita, araka ny vaovao voaray teny amin’ny mpitandro filaminana ihany. Tovolahy iray 24 taona no niaraka tamin’ity zaza ity, araka ny filazany, ary ny olona teo amin’ny manodidina no nahita ny nivoahany tao amin’ny tranon’ilay tovolahy. Rehefa tonga tao an-tranony moa ilay zazavavy dia nitantara ny zava-nitranga tamin’ireo ray aman-dreniny ka nitondra ny fitoriana teny amin’ny zandarimariam-pirenena. Nampanantsoina arak’izany ny tovolahy ka nandà ny fiampangana azy, ary ny tena loza dia toa izy indray no be vava ka mandrahona ireto fianakaviana nitory, hoy hatrany ny vaovao.
Mbola eo am-panaovana ny fanadihadiana ny tomponandraikitra amin’izao fotoana izao, fa ny teny kely atsipy fotsiny dia ny hoe misy trano filanonana iray eny amin’ny manodidina izay hitangoronan’ny tanora maro rehefa alarobia sy ny zoma ary ny sabotsy folakandro, ireo matetika no mitondra ny fakampanahy izay atosiky ny zavapisotro sy mahadomelina isan-karazany amin’ny filàn-dratsy. Hentina hanairana ny sain’ny tomponandraikitra izay misahana ny zaza tsy ampy taona tokoa izany ,satria amin’ny toerana ohatra ireny matetika no iatombohan’ny tantara, ary andraikitra goavana ihany koa hoan’ny ray aman-dreny mitaiza ny hanarahamaso ny dian’ny zazavavy kely rehefa tsy mianatra ny tena halehany marina. Hatramin’izao aloha ny fitarainana voaray no nahafantaran’ny mpitandro filaminana fa eo amin’ny manodidina ny efatra ambin’ny folo taoana telo niharan’izao zavatra izao ary ny fahefatra kosa no enina ambin’ny folo taona. Efatra ny isan’izy ireo.
ALEM