- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy - Anosimasina : lehilahy mpitaingina moto iray naratra

Itaosy – Anosimasina : lehilahy mpitaingina moto iray naratra

Ny alatsinainy tokony tany amin’ny 11 ora atoandro tany ho any teo amin’ny fiakarana Anosimasina no nifandona ny Renault4 sy ny moto scooter iray. Ny fiara moa niakatra ary any moto kosa nidina ho eny Ampasika. Nisongona fiara roa ity fiara niakatra tamin’ izany ka nifanena tamin’ilay moto, tsy afa-niala intsony ity mpamily ka namono ny motera no hany nataony ; ilay mpitaingina moto kosa niala teo ambony ka namela ny moto hisosa. Naratra teo amin’ny lohalik’ilay mpitondra moto tamin’izany fianjarany izany.
Azo lazaina ho niheren-doza ity lehilahy ity, somary tsy dia mavesatra mantsy ny ratra nihatra taminy. Amin’izao ankatoky ny fety izao dia tokony ho malina ny rehetra, iaraha-mahita fa mitohona ny fifamoivozana ary samy maika daolo, manoloana izany anefa dia tokony hitandrina ny tsirairay.
Alem

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici