Nisy namaky ny CSBII tao Antanivory-Bemasoandro ny alin’ny alahady 17 may lasa teo, henon’ny dokotera miasa ao izany fanongotana sy fanapahana ny « grille de protection » izany. Ary ity farany no niantso an-tariby nampandre ny manampahefana , vao nahare izany moa ireto zandary dia tonga teny an-toerana ka tsy nahahetsika intsony ireto mpamaky trano. Avy hatrany dia nentina tany amin’ny birao ity jiolahy nofotorana sy ahafantarana ny mety ho mbola ho fisian’ny namany,raha nanontaniana moa ilay rangahy dia hafa ny anarana nomeny ireto mpanao famotorana. Rehefa nosavaina kosa teny aminy dia hafa ny anarana tao anaty kara-panondro izay sandoka. Hatolotra ny fitsarana amin’ity herinandro ity moa izy roalahy ireto.
Somary nafampana indray moa herinandro vitsivitsy izay iny fokontany Ambanilalana sy Dalle iny amin’ny sinto-mahery sy vaky trano noho ny tsy firehetan’ny jiro manazava ny arabe ka hanairana ireo tompon’andraikitra mahefa eo anivon’ny kaominina sy ny fokontany ary ny JIRAMA, ao anatin’ny maizina tokoa mantsy no hanararaotan’ireo tontakely hanaovana ny asa ratsiny.
Tetsy Bemasoandro Itaosy tamin’ny volana martsa teo no nifanehitra tamin’ny zandary nanao fisavana sy fitandroana ny filaminana ireto jiolahy roa lahy. Teo am-pibatana bafle sy kojakojan-dakozia izy ireo tamin’izany. Vao nahatazana ireto zandary moa izy roa lahy dia ny hitsoaka avy hatrany ny tao an-dohany, ary natsipiny tery amin’ny tany ireo entana ; raikitra ny fifanjevoana ka tratra sambo-belona ny iray, fa ilay hafa kosa tafaporitsaka raha vao nahazo ny elanelan-trano.
Tsy nihetsika intsony ity farany fa dia nananga-tanana avy hatrany, ny mpitandron’ny filaminana koa moa tetsy andaniny tonga dia nisambotra ity jiolahy ka niteny taminy ny tsy tokony hihetsehany mahery intsony fa sao manefa ny aina. Rehefa natao ny famotorana, dia niaiky ity mpangalatra fa avy namaky trano ary nolazaiany fa tsy tadidiny ilay trano novakiany. Ny momba ilay namany tafatsoaka kosa dia nolazainy fa havany avy any amin’ny faritry Toliara iny izay tsy dia fantany loatra.
Alem