- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy Bemasoandro : rongony 70kg tratra tao anaty gony

Itaosy Bemasoandro : rongony 70kg tratra tao anaty gony

Rongony 2 gony milanja 70kg no tratra teny Ambohijafy-Bemasoandro ny Sabotsy hariva lasa teo

Ny sabotsy hariva efa maizina iny no niantso ny zandary tetsy Itaosy ny olona teny amin’ny manodidina, ary nambaran’izy ireo tamin’izany fa misy olona roa lahy mihaodihaody eny  sady mivimbina gony; vao naheno ny antso ireto  zandary dia nidina teny an-toerana.,ny toerana rahateo koa moa tsy dia mifanalavitra.

Vao tonga teo an-toerana anefa ireto mpitandro ny filaminana dia lasa nitsoaka  izy roalahy ireto, avy hatrany. Raikitra ny fifanenjehana ary dia tafatsofoka elakelan-trano izy roalahy mpivarotra rongony, avy hatrany dia natsipiny ilay gony ka tsy hita intsony izay nanjavonany, ny andro rahateo efa maizina. Avy hatrany moa dia nogiazina ireto gony ireto ary efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Raha ny vinavina dia mety ho saika varotana teny amin’ny manodididna ireo rongony ireo izao tratry ny sakoroka izao. Kany hany hery dia ny nitsoaka sy natahotra ny fisamborana.

Alem

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici