- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Efa-dahy nanafika mpivarotra saribao, voasambotra ny iray

Itaosy : Efa-dahy nanafika mpivarotra saribao, voasambotra ny iray

Roa andro taorian’ny nandroban’ny sasany fivarotana saribao sy mpivarotra enta-madinika teny Itaosy, fantatra izao fa voasambotry ny mpitandro filaminana ny iray tamin’ireo jiolahy. Raha vao niseho ny halatra dia nandeha ny fanadihadiana. Avy amin’izany no nahazoana nisambotra ny iray tamin’izy efatra ireo. Efa fotorana mafy izy io ankehitriny ahafantarana ireo niaraka taminy.  Ny loharanom-baovao no nahalalana, fa vola hatrany amin’ny iray tapitrisa ariary mahery no lasan’ireo bandy tamin’io alina io. Raha tsiahivina ny zava-niseho, niditra tao amin’ilay fivarotana ireo efa-dahy, ny vola no notakiany. Voalaza fa tsy nisy anefa tao tamin’io fotoana io. Vehivavy roa no hitany tao ary nampitahoriny. Rehefa izany, nifindra tao amina fivarotana izy ireo ary nalainy avokoa ny entana rehetra. Rehefa nahazo izany ry zalahy, dia lasa.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici