- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Efa-dahy nirongo basy saika hanafika tokantrano

Itaosy : Efa-dahy nirongo basy saika hanafika tokantrano

Efa tafiditra teo an-tokotany mihitsy ireo olon-dratsy no taitra ny fokonolona manodidina ka tsy nahavita ny asa ratsiny iretsy voalohany. Teny Ambohijanamasoandro, Itaosy, no nisehoan’izany ny alin’ny sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any. Araka ny fantatra dia niisa efa-dahy ireo jiolahy, nirongo basy avokoa, raha ny filazan’ireo olona teny an-toerana. Ny iray tamin’ireo jiolahy ihany no niditra teo an-tokotany raha ny telo ambiny niandry tety ivelany. Nisy nahatsikaritra anefa izany fihetsik’ireo olon-dratsy izany ka nifampilaza avy hatrany ny fokonolona. Avy hatrany dia nampirehitra jiro avokoa ka rafitra nitsoaka ireo olon-dratsy. Voalazan’ireo mponina teny an-toerana fa lala-masaka, tsy hitan’ny vahiny ankoatr’ireo tompon-tany eny an-toerana ihany no nitsoahan’izy ireo. Mihevitra araka izany izy ireo fa mety ho olona tsy lavitra eo ihany ireo olon-dratsy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser