Nirefodrefotra ny basy, nanjaka tanteraka ireo mpandroba tao amina trano iray
Tranona mpivarotra fanaka iray teny Marobiby Itaosy no notafihana jiolahy miisa enina ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy tokony ho tany amin’ny 1 ora tany ho any. Vokany, lasan’ireo mpandroba avokoa ny vola rehetra tao an-trano niampy ny telefonina. Fa ny tena mampalahelo, maty notifirin’ireo olo-dratsy koa ny lehilahy tompon’ny trano. Bala telo no niantefa teny aminy ary izany no nitarika ny fahafatesany.
Tamin’io ora voalaza io, tonga dia heno nirefodrefotra ny basy. Rehefa izany, nopohiriny ny varavarana. Heon’ilay rangahy tompon-trano izany zavatra izany ka niezaka izy nanohana ny varavarana tsy ho voavoa. Tonga anefa dia nipoaka indray ny basy ka tamin’izany no nahavao ity olona ity. Avy any ivelany no nitifitra izy. Voa teo amin’ny kibony, ny sofiny ary ny feny izy. Maty avy hatrany ity olona ity. Rehefa izany, nibosesika niditra ry zalahy ary mbola nanambana basy ny tao an-trano, ilay ramatoa sy ny zanany telo. Nanjaka tamin’izay izy ireo naka izay tiany tao. Voalazan’ny vaovao fa naharitra elaela ihany vao nandeha ireo olon-dratsy. Ireo mpifanolo-bodirindrina no niezaka nampandre ny mpitandro filaminana raha nahare ity fandrobana ity. Tonga teny amin’ilay toerana nisehoan’ny fanafihana avokoa n any polisy n any zandary. Efa dila anefa ireo jiolahya ry tsy nisy tratra tao intsony. Misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.
r.s.