Lasan’ny jiolahy ny vola 300.000 Ariary sy ny volamena rehetra tao an-trano. Ny alin’ny zoma hifoha sabotsy, tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany maraina no nitranga ny fanafihana ity tokantrano iray tetsy Ambaniala-Itaosy. Tovovavy roa no tao an-trano ary lehilahy enina mitam-basy kosa no mpanafika. Norahonana tamin’ny basy ireo ary noterena hanome ny vola tao an-trano. Tsy nisy sahy nivoaka namonjy ny manodidina noho ny tahotra. Nisy tamin’ireo jiolahy mantsy ny niambina teo ivelany ary nandrangaranga basy. Vola telo hetsy ariary sy volamena no lasa nandritra ny fanafihana. Raha ny fanazavan’ireo voatafika dia inefatra niantso ny laharan’ny polisy izy ireo sy ny mponina manodidina saingy tsy nisy namaly ny antso. Rehefa nanontaniana indray ireo mpitandro ny filaminana dia nilaza fa laharana diso no niantson’ny voatafika ary tsy azo mihitsy ny antson’izy ireo. Raha ny momba ny voatafika dia olona vao tonga avy any ambanivohitra ka na ny valizy aza dia mbola tsy voasokatra. Andro vitsy talohan’io dia nisy tokantrano hafa voatafika tamin’ny basy ary teo amin’ny manodidina ihany, raha araka ny fanazavan’ny mponina teny an-toerana. Etsy andaniny koa anefa ny mpitandro ny filaminana dia nanamafy fa isan’ny faritra tena anaovana fisafoana matetika ny manodidina ny nitrangan’ny fanafihana. Nanentana ireo polisy ny hiantsoana ny 020 22 281 70 rehefa misy ny tranga mahakasika ny tsy fandriam-pahalemana.
D.R