Ny marainan’ny alahady tamin’ny 1 ora sy 10 minitra, notafihana jiolahy miisa enina nitondra basy vita gasy ny tokantrano iray teny Sahalemaka Ambaniala Itaosy. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa nanao be fiditra ireto mpangalatra ireto. Raha vao toa an-trano izy ireo dia ny vola no nangatahany. Voambana basy ny tompon,-trano ary tsy afaka nihetsika. Voatery nanome azy ireo ny vola mitetnina 600 000 ariary. Tsy vitan’izany fa mbola nalain-dry zalahy koa ny telefonina roa miampy “lecteur” iray. Raha vao azony izany dia lasa niala ilay trano ireto mpandroba ireto. Taorian’izay vao afaka nampandre ny polisy teny an-toerana ireo voatafika. Efa tsy tratra intsony anefa ry zalahy. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana mikasika ity vaky trano ity ary ny polisy no misahana izany. Fa ankoatra io fandrobana teny Itaosy io, re koa fa notafihana bandy enina ny trano iray teny amin’ny faritra Ambohidratrimo. Araka izany, tsy mijanona mihitsy ny san-jiolahy eto amintsika.
r.s.