Tao aorian’ny fanafihana niseho teny amin’ny faritra Avaratsena, ny alatsinainy alina farany teo, dia misafo manao andiany ny zandary etsy Bemasoandro, izay hetsika hentina hampandriana fahalemana ny tanàna. Nahitam-bokony ary izany ny alarobia alina teo, olona efa-dahy no nifanehitra tamin’ny zandary tamin’izany ka avy hatrany dia natao ny fisavana, tratra teny amin’izay ireo tamin’izany ny fonosan-drongony miisa 17. Rehefa natao moa ny fanadihadiana dia fantatra fa anisan’ny mpanendaka eny amin’ny manodidina izy efa-dahy tratra ireto ko ahiana ho rongony fohany alohan’ny hanaovany ny asa fanandehana sy sinto-mahery ireto tratra teny amin’izy ireo.
Ny fokontany moa dia miara-miasa akaiky amin’izy ireo amin’izany ka entanina hatrany ny manodidina mba hanampy sy hanome vaovao marina raha vao misy ny mampiahiahy
Alem





