Nirefotra ny basy ary heno hatrany Ampitatafika, kanefa tany Itaosy no nitranga ny fanafihana. Raha araka ny fanamarihan’ny olona monina eny an-toerana dia fito lahy raha kely indrindra no tompon’antoka tamin’ny fanafihana. Hatreto, raha ny fihevitry ny maro, dia andian-jiolahy iray ihany no nanatontosa ireo fanafihana. Telo samihafa izany ka tao Ambohimirary, Ambohimarina ary Ambohidray no nitrangan’izany, raha araka ny vaovao azo teo anivon’ny mpitandro filaminana. Mpihavana avokoa ireo voatafika. Vao niditra sy nivoaka dia nanapoaka basy ireo olon-dratsy, mba hampitahorana ny manodidina. Mpivarotra no asan’ny fianakaviana roa tamin’ireo voatafika. Voamarika fa kalachnikov sy PA no nampiasain’ireo olon-dratsy. Niezaka ny ho tonga ara-potoana teny an-toerana ny mpitandro filaminana ary nanao ny fanarahana. Nisy ny poa-basy nandritr’izany satria samy nampiasa ny fitaovam-piadiany na ny mpitandro filaminana na ny olon-dratsy. Tsy nisy voasambotra hatreto ireo mpanafika, raha araka ny fanazavana azo. Tsy voafaritra ihany koa raha ny momba ny vola sy ny entana lasa nandritra ny fanafihana ary mbola ao anatin’ny fanadihadiana rahateo ny zandary. Nampivarahontsana ny maro ity tranga teny amin’ny faritr’Itaosy ity. Indrindra koa raha nirefodrefotra tao anatin’ny alina ny basy. Ny maraina vao samy sahy nivoaka ny olona ary nifanontany izay zava-nitranga. Avy aiza hatrany ny basy sy ny bala? Raha tsy any mihitsy no misy politika mazava – na izany momba ny fanadihadiana, mba hanaraka ny tokony ho izy ka hiditra lalindalina kokoa mba hahafantrarana ary hamaizana ireo mpanaparitaka basy – dia ho toa ny manao sarin’ady fotsiny ihany ny mpitandro filaminana sy ny jiolahy…
D.R