Omaly, tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any, nisy ny antso vonjy nandeha tao anaty tambazotra sosialy ny amina fisiana olona mitady hanafika teny amin’iny faritra Itaosy iny. Andian-jiolahy manapoaka basy, hoy ny filazàna.
Araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ireo mpitandro filaminana dia nisy tokoa izay poa-basy maromaro izay. Nanakoako eran’ny tanana, nanaitra ireo mponina tao anatin’ny torimasony tamin’io alina. Saingy rehefa tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana roa tonta, na ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena na teo anivon’ny pôlisim-pirenena dia efa tafatsoaka ireo olon-dratsy nana izany, tsy nahavita akory izy zavatra nokasain’izy ireo natao. Na izany na tsy izany aza anefa dia nisy ny fanaovana savahao ny manodidina, nijerena izy olona mety ho nampiahiahy. Efa tafiditra tsara tao anatin’ny fotoana tsy azo hivezivezena rahateo ilay fotoana nitrangan’ilay poa-basy saingy tsy nahitàna n’iza n’iza moa izany, araka ny fanazavàna nomen’ireo tompon’andraikitra. Raha ny zava-nisy dia nikasa ny hanafika tokantrano iray mihitsy ireo andian-jiolahy saingy taitra ireo saika lasibatra ary niantso vonjy sy nampaneno anjombona tsy an-kijanona. Taitra noho izany ireo olona rehetra manodidina. Nihevitra angamba ireo olon-dratsy fa ho mora foana ny hiditra an-keriny tao amin’ilay tokatrano, tsy nisy haheno kanjo rehefa nifoha sy taitra ireo manodidina dia lasa nitsoaka izy ireo. Tao anatin’izay fitsoahana izay no nanapoaka basy ireo olon-dratsy, hoy ny fanazavàna azo teo anivon’ny Kaomandin’ny tobi-paritra Itaosy. Nosokafana avy hatrany moa ny fanadihadiana hikarohana ireto andian’olona ireto. Ry zareo eo anivon’ny pôlisim-pirenena izy tonga aloha teny an-toerana no misahana izany raha ny fanazavàna azo.
m.L