- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversItaosy : Faty natsingevan’ny rano

Itaosy : Faty natsingevan’ny rano

Vao maraina ny asabotsy lasa teo dia efa nitangorona ny olona tetsy Ambohimarina-Itaosy. Ny antony di any fahitàna rangahy iray izay natsingevan’ny reninranon’ny Sisaony. Mihohoka ny vatany. Nampiakarina an-tanety ary teo no nahitàna fa manao “blouson” miloko mainty, “tee-shirt” mainty, pataloa manga somary miofo, “short” mainty sy kiraro “demi-botte”. “Tokony tamin’ny telo ora maraina no nisy nampandre ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana mahakasika ity fahitàna olona maty ity. Natao ny fidinana ifotony miaraka amin’ny mpitsabo miandraikitra fitsirihina faty ary hita fa tsy nisy ratra ny razana. Raha ny tombana dia efa telo na efatra andro izy no maty tao anatin’io rano io” raha araka ny tatitry ny zandary. Rehefa nosavaina dia nahitàna finday izay efa vaky. Nisy koa antontan-taratasy maromaro sy karatry ny mpiasa ary taratasy hafa manaporofo ny fanirahana azy ho any Moramanga noho ny asa. Rehefa nohamarinina ny sary tapaka tao anatin’izay hita dia voamarina fa izy tokoa. Taratasy avy amin’ny vadin-tany no Documents izay avy amin’ny vadin-tany iray no teny aminy. Nampandrenesina ny kominina sy ny fokontany Ambohimarina mandram-piandry ny fianakaviany izay tonga naka ny razana. Koa satria nisy fatiolona izay tsy fantatra mazava ny antony dia tsy maintsy nisy ny fanadihadiana izay nosokafan’ny mpitandro ny filainana mombaity raharaha ity.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici