Ny alatsinainy maraina teo no nisehoan’izany, teo ampita indrindra amin’ny misy ny vavahadin’ny hopitaly etsy Itaosy. Taxi-be ligne A mampitohy an’i Tsaralalàna sy hopitaly no nilaozan’ny tsindry hisatra. Raha ny fitantaran’ny olona tao anatin’ny taxi-be dia teo anoloan’ny fiantsonana mialoha ny farany amin’ny fidinana iny no tsy nisy frein intsony ity fiara, ka niteny tamin’ilay mpanampy azy ilay mpamily. Nitady izay fomba hampijanonana ity fiara ilay saofera ka vavahadin’olona no tadiaviny tamin’izany.
Taxi-phone iray no manoloana ity vavahady ka ramatoa iray miasa ao amin’ny hopitaly no niantso an-telefaonina teo. Tazan’ilay olona teny amin’ny arabe fa toa mivembena be ny fandehan’ity taxi-be ka efa kaodikaody izay nahita izany. Tazan’ilay mpanao taxi-phone tamin’izany ary ny dian’ity taxi-be fa nanitsy nankany aminy ka dia niala faingana teo izy ireo, ilay ramatoa kosa mbola variana niantso sady nitodi-damosina ny arabe, ka tsy afa-niala fa voaterin’ilay taxi-be sy sisim-bavahady beton ka tery tao. Nijininika noho izany ny rà, izay nivoaka tamin’ny orony sy ny masony ary ny vavany, ka maty avy hatrany ity ramatoa 55 taona. Nasaina nihemotra mihitsy moa ilay taxi-be nanalana ilay ramatoa tery tao. Ny tao anaty fiara kosa dia nahotsikotsin’ilay taxi-be sady nifatratra ihany koa ka nisy ny naratra teo amin’ny tongony, ny sasany kosa teny amin’ny Tanana, izay niisa 11. Rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza avy moa izy ireo dia nody, fa ny fanadihadiana kosa dia mbola mandeha amin’izao fotoana izao. Tsy vao voalohany no nisy trangan-javatra tahaka izao fa hanentanana ireo mpanao fitaterana ihany mba hitandrina sy hikarakara ny fiara miasa, satria ain’olona no entina ka mila fahamailoana sy fitandremana hatrany.
ALEM