Nikija dia nikija ny oram-be omaly. Nirefodrefotra ny varatra. Ankizilahy roa, handeha hody avy nianatra no indray maty nilatsaham-baratra omaly hariva teny Itaosy, araka ny loharanom-baovao azonay. Araka ny fantatra, voalazan’ireo olona teny an-toerana nanatri-maso ity loza mahatsiravina ity, dia nirefodrefotra ny kotroka, tokony ho teo amin’ny 4 ora hariva teo. Samy niolomay namonjy ny fodiany avokoa ireo olona rehetra teny an-dalana. Anisan’izany ireo mpianatra roalahy kely avy nirava tamina sekoly iray teny Ambohidrapeto teny. Nirefotra indray mandeha ny varatra. Nihovitrovitra avokoa ireo trano rehetra teo amin’ny manodidina. Nilatsaka tsy lavitrana andrin-jiro lehibe iray teny an-toerana ity afo avy an-danitra ity ary nifanitsy indrindra tamin’ireo roalahy kely. Araka ny fitantarana olona teny an-toerana hatrany dia maty tsy tra-drano teo noho eo ny iray tamin’izy roalahy. May tanteraka ary efa nibontsina ny kibony. Naratra mafy kosa ny ny iray ary voalaza fa may tanteraka ihany koa ny ilan’ny vatany iray manontolo. Mbola nitempo ny fony taorian’io loza io, raha ny fantatra hatrany. Olona mpitondra môtô sendra nandalo no niezaka nitondra azy tany amin’ny hôpitaly. Indrisy anefa fa tsy tana intsony ny ain’ity ankizilahy kely ity teny an-dalana, ary naverina nentina nody ny vatana mangatsiakany, raha ny fanazavana azo hatrany. Manodidina ny 14 taona sy 15 taona eo ireto mpirahalahy namoy ny ainy nilatsaham-potaka ireto. Fantatra ihany koa fa lehilahy manodidina ny 40 taona teo no namoy ny ainy vokatry ny filatsaham-baratra teny Antanetibe Ilafy, omaly hariva ihany. Tao an-tranony no nirefotra ny varatra, raha ny loharanom-baovao teny an-toerana hatrany. Nezahana nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana ity rangahy ity, saingy tsy tana intsony ny ainy, nony tonga teny, raha ny vaovao voaray.
m.L