Jiolahy rain-dahiny efa nokarohina fatratra no voasambotry ny zandary teny amin’iny faritra Itaosy iny ny alakamisy lasa teo. Mbola teo am-pikasana hanao fanafihana amin’izao andro fety izao ny lehilahy izao voapaingotry ny zandary izao. Raha ny fanazavàna azo dia isan’ny tarik’izany antsoina hoe Radomainty izany ity lehilahy voasambotra ity. Ireto farany dia voalaza fa isan’ireo andian-jiolahy raindahiny tokoa amin’ny resaka fanafihana mitam-piadiana, nampikaika ny faritra Itaosy, Ampitatafika sy ny manodidina iny. Raha ny fanazavàna azo hatrany dia sady ikoizana amin’ny resaka fanafihana ity olona voasambotra ity no mbola mpanendaka gaigilahy ihany koa. Fikaroham-baovao efa ela, hoy ny teo anivon’ny zandarimarim-pirenena, no nahafahana nisambotra azy izao. « Tena fetsy be tokoa mantsy izy io saingy izao tratra izao ihany rehefa notsongoina dia », hoy ny vaovao. Tsy nahitàna fitaovam-piadiana moa tao an-tranony tamin’ny fisavàna izany saingy nisy rongony kelikely kosa. Mbola mandeha ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo namany amin’izao fotoana izao. Indrindra fa ilay antsoina hoe Radomainty.
m.L