Azo eritreretina fa hihena ny resaka asan-jiolahy eny amin’iny faritra Itaosy sy ny manodidina iny. Roa tamin’ireo jiolahy raindahiny mpanao fanafihana mitam-piadiana, nampijaly ireo mponina teny amin’iny faritra iny mantsy no lavon’ny zandary ary tsy afa-manao ny asa ratsiny intsony. Nisy iray ihany koa azo sambo-belona ary efa nidoboka eny Tsifahy.
Raha ny tati-baovao azo dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny toerana antsoina hoe Antsahakely Itaosy ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo. Efa nisy anefa ny fandraisana fepetra nataon’ireo mpitandro filaminana ny amin’ny fisafoana ireo faritra mafana, ka sendra nifanandrify tamin’izay mihitsy ity fanafihana ity. Raikitra ny fifanenjehana tamin’ireo olon-dratsy ary niafara tamin’ny fifandonana sy fifampitifirana izany. Teo no nahavoatifitra ny roa tamin’ireo olon-dratsy. Nisy iray hafa kosa tafaporitsaka, raha ny vaovao hatrany. Rehefa natao ny fizahana ireto olon-dratsy ireto dia fantatra fa isan’ireo olon-dratsy karohina fatratra noho ny resaka fanafihana, teo amin’io faritra io ihany, tokony ho herinandro lasa izay. Raha tsiahivina ny tamin’izay fotoana izay dia efa-dahy ireo jiolahy nanafika tsena. Ny iray tamin’izy ireo no efa azo ary efa nadoboka eny Tsiafahy, ireo namany telolahy kosa tafatsoaka. Tsy niandry ela anefa dia izao nandray ny valin’asany sahady izao. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ilay iray ambiny sisa, hoy ireo zandary. Maniry hatrany ny fiaraha-miasa moa izy ireo, ahafahana mahita vokatra toy izao, hilaminan’ny mponina.
m.L