- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Jiolahy saika handroba, matin’ny mpiambina

Itaosy : Jiolahy saika handroba, matin’ny mpiambina

Eo imason’izao tsy fandriam-pahalemana mivaivay izao, tsy mikely soroka ihany koa ireny mpiambina ireny, miezaka manao ny asany araka izay vitany. Ny alatsinainy alina lasa teo, jiolahy iray saika handroba tao amina toerana iray, teny amin’iny faritra Itaosy iny, no naratra mafy sy namoy ny ainy mihitsy rehefa nifanehatra tamin’ireo mpiambina ny tanàna. Raha ny loharanom-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana dia ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo no naheno zavatra ireo mpiambina toerana fanaovana trano iray teny amin’iny faritra iny. andian’olona niezaka hiditra tao amin’ilay faritra. Avy hatrany dia mailo ireto farany ka nanao ny asany. Tsy fantatra mazava izay tena isan’ireo olon-dratsy, hoy ny vaovao, sady ny andro tanaty maizina rahateo. Antsy lava lela no hitan’ireo mpiambina nentin’izy ireo. Raikitra ny fifanandrinana teo amin’ireo olon-dratsy sy ireo mpiambina efa-dahy. Ny iray tamin’ireo mpanafika no tratran’izy ireo. Afa-nitsoaka kosa iretsy namany, niaraka tamina vy fanaovan-trano maromaro. Ity iray tratra, araka izany, no niharan’ny hatezeran’ireto nahatratra. Somary namaly ihany koa ity olon-dratsy ity, nampiasa ilay fitaovam-piadiana nentiny. Voatery niaro tena araka izany ireo mpiambina, raha ny filazan’ireo tamin’ny mpitandro filaminana ka tsy maintsy nanao izao hifehezana ilay olon-dratsy. Voa mafy anefa ity farany, ka niafara tamin’ny famoizany ny ainy mihitsy izany. Efa tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao famotorana ireo mpitandro filaminana. Naterina teny amin’ny tranom-patin’ny Hjra kosa ny fatin’ilay olon-dratsy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici