- Publicité -
mercredi, octobre 15, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Lasan'ny jiolahy ny vola tao an-trano

Itaosy : Lasan’ny jiolahy ny vola tao an-trano

Efa nivezivezy tao an-trano ireo jiolahy izay efa nahavita ny asa ratsiny  vao taitra ny tompon-trano ka niantso vonjy. Omaly tamin’ny iray ora maraina no nisehoan’izany, tetsy Ambohijanamasoandro. Ankoatra ny vola izay mitentina 1.400.000 ariary dia lasa ihany koa ny firavaka volamena sy ny solosaina, ny « tablette » sy ny finday rehetra an’ny tompon-trano. Raha ny fanamarihan’ny mponina eny an-toerana, dia fanindroany izao tao anatin’ny andro vitsivitsy no nisehoan’ny fanafihan-jiolahy teo an-toerana. Isan’ny nahatalanjona ihany koa ny fomba nataon’ireo olon-dratsy, ka tsy nandrenesan’ny iray trano mihitsy ny fidiran’izy ireo tao anatiny raha tsy efa fotoana ela. Matetika resahin’ny olona ny hoe mampiasa fonoka ny mpandroba, hany ka na ny alika aza dia tsy mivovo intsony, fa matory koa rehefa iharan’izany. Raha tena mitombina izany, dia isan’ny vahaolana koa izany ny fitadiavana ady amin’izany. Betsaka ny tokantrano voatafika no nilaza ho tsy naheno na nahatsikaritra ny fandrobana noho ny torimaso.
D.R.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici