- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Lehilahy maty nodomin’ny « camion »

Itaosy : Lehilahy maty nodomin’ny « camion »

Omaly tamin’ny 6 ora, nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny amin’ny faritr’Itaosy. Lehilahy iray eo amin’ny 40 taona eo no nodomina “camion”. Tonga dia nitsirara tamin’ny tany ity olona ity. Ireo nahita ny fandehan-javatra dia niezaka namonjy azy ary nitondra tany amin’ny hopitaly. Noho ny dona nahazo azy anefa, tsy tana ihany ny ainy. Mbola betsaka mpandeha iny lalana iny tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Samy nihoraka ny rehetra. Ao ireo sahy niteny fa mamomamo ity olona ity ary nivembena. Tamin’izay no nahavoadoana azy. Nivembena izy, hoy ny vaovao, nandeha teny an-dalana. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa tsy tonga tany amin’ny hopitaly akory ilay olona dia tsy tana ny ainy. Tato ho ato izay, raha ny resaka lozam-pifamoivoizana no resahiny dia voalaza fa mamo hatrany ireo niharam-boina. Misy koa anefa ireo mpamily izay tsy miraharaha sady tsy sahy mandray andraikitra mihitsy eo anoloan’ny zavatra nataony.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser