Tokony ho tamin’ny mitataovovonana omaly no nitranga ny loza. Mpandalotra trano ny asany ary niasa tao amin’ny trano iray tao Itaosy-Andranonahoatra izy sy ny namany. Teo indrindra no niseho ny loza. Nisy herinaratra niboridana teo akaikiny ary izy anefa nampiasa maritoa izay mazava hoazy fa vita amin’ny vy. Vao nahakasika kely an’izany tsy nahy ilay fitaovana dia natsipin’ny herinaratra avy hatrany ny tenany. Nianjera avy eny amin’ny rihana faharoa ary avy hatrany dia tsy nahatsiaro tena. Noezahina nentina teny amin’ny hopitaly ihany ary natao ny fomba rehetra nentina namelomana ny ainy saingy tsy avotra intsony. Sady main’ny herinaratra no mafy ihany koa ny fianjerana. Ilay namany kosa naratra mafy saingy mba avotra ihany ny ainy. Ny fiaran’ny pôlisy no nitatitra ireo niharan-doza teny amin’ny toeram-pitsaboana. Mbola tanora izy ireo satria manodidina ny 25 taona raha araka ny fanampim-baovao azo.
D.R