- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversItaosy : Manampy maty irery tao an-trano fiasany

Itaosy : Manampy maty irery tao an-trano fiasany

Tomefy olona tokoa nanomboka ny alatsinainy atoandro tokony ho tamin’ny 11ora atoandro nahitana ny razana. Gaga sy talanjona mantsy ilay “patron” niasany raha tonga toy ny fanao mahazatra raha nahita ny fivarotana mbola mikatona ka nanontany tena hoe lasa maraina ve sa mbola matory ao an-trano. Marihina fa samy manana ny fanalahidy avokoa na ilay tovovavy mpanampy na ilay tompon’ ny fivarotana. Akory anefa ny hatairan ‘ireto farany raha namoha ny varavaravana fa efa nivalampatra teo amin’ny tany ilay tovovavy. Avy hatrany dia nampandre ny borigadin’ny zandarimaria tetsy Bemasoandro. Marihina fa manodidina ny 19 taona eo ho eo ny tovovavy ary avy eny amin’ny faritra Andoharanofotsy eny no fihaviany.,ary manana irony aretina mitaiza amin’ny fahasemporana irony. Anisan’ny nanampy tamin’ny fanam-pibaovao  izany moa ny zandarimariam-pirenena tetsy Bemasoandro araky ny vaovao azo farany moa dia hitondra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana ny havan’ny maty. Tamin’izany koa no nahalalana araky ny fitiliana nataon’ ny dokotera  fa fahafatesana tsotra no nahafaty azy.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser