- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Miandahy miambavy ireo mpivarotra sy mpifoka rongony

Itaosy : Miandahy miambavy ireo mpivarotra sy mpifoka rongony

Ny alarobia lasa teo, vehivavy roa no voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’Itaosy, teo am-pivarotana rongony. Mbola nahitàna fonosan-drongony miisa 36 rahateo moa tany amin’izy ireo. Raha ny fanazavàna azo dia avy tamina fanadihadiana andian-jatovo tratra nifoka rongony teny an-toerana no nahafantarana ireto vehivavy ireto. Io alarobia io ihany mantsy dia tra-tehaka teo am-pifohana rongony ny lehilahy efatra, tao ambadiky ny fiangonana iray teny an-toerana. Maromaro izy ireo ny tao, hoy ny vaovao, saingy tafaporitsaka ny sasany raha vao nahita ny pôlisy tonga avy hatrany. Ireto tratra ireto indray avy eo no nanoro ny toerana nividianan’izy ireo ny rongony teny aminy. Tamin’ny fanadihadiana natao ireo vehivavy mpivarotra rongony no nilazàny fa izany “Ndaty” izany no tena mpamatsy azy ireo. Mahalafo rongony eo amin’ny 12 fonosana isan’andro moa izy ireo amin’izany. Efa samy natolotra ny Fampanoavana avokoa moa ireto mpidoroka sy mpibizina rongony ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici