- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversItaosy : Miaramila telo maty, nivoaka tamin’ny fahanginany ny Tafika

Itaosy : Miaramila telo maty, nivoaka tamin’ny fahanginany ny Tafika

Tsy niandry ela dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny Foloalindahy mba ho mariky ny fiaraha-miory sy ny firaisan-kinany tamin’ireo olony izay namy ny ainy. « Ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Etamazaoron’ny Tafika An-tanety, ny Fari-piarovana sy Fandriampahalemana Ikopa dia miondrika am-panajana manoloana ireo miaramila telo mirahalahy, maty noho ny endrikendrika sy fanosora-potaka nataon’olona azy ireo teny Itaosy ny 29 Desambra 2022 », raha araka ny hita tao anaty fanambaràna izay nivoaka. Notohizany fa : « ny miaramila dia miaro ny vahoaka sy ny fananany ary manaramaso hatrany ny hetsika eny an-kianja ireo ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany ary miezaka mametraka ny mamatihanina azy ireo. Manoloana ny tranga niseho teny Itaosy omaly, ny eto anivon’ny Tafika dia manameloka ny famonoana ny miaramila malagasy, ny fanosora-potaka, ny fanenjehena tsy misy porofo izay niteraka ny fahafatesan’izy telo mirahalahy. Manameloka ihany koa ny fitsaram-bahoaka amin’ny endrika maro samy hafa satria tany tan-dalàna i Madagasikara ka tokony hanaraka ny lalàna ny tsirairay ». Hita ny hasosoran’ny Foloalindahy manoloana ny zava-nitranga izay nisesy ka nahafaty ny olony. Azo tarafina rahateo izany amin’ny tohin’ny fanambaràna : « manameloka ary ho hentitra amin’ireo olona minia manely vaovao tsy marina sy tsy mari-pototra toy ny tany Ivongo izay nilazana fa nandroba olona ary nanapoaka basy ny miaramila ny eto anivon’ny Tafika (…) ny miaramila malagasy dia zana-bahoaka, avy any amin’ny vahoaka ary miverina any amin’ny vahoaka ka tsy tokony henjehina amin’ny tsy an’antony sy amin’ny resaka tsy voamarina. Koa entanina hatrany arak’izany isika mba hanamarina ny vaovao mba hisorohana ny tranga tahak’izao sy hampanjakana hatrany ny fandriampahalemana manerana ny Nosy ». Mazava ary miendrika fampitandremana ny fanazavàna sy fanambaràna. Etsy andanin’izany koa anefa dia tsikaritra fa misy alahelo miotrika ny olona manoloana ny tsy fandriam-pahalemana sesilany eto amin’ny firenena ary raha vao misy irika hamoahana an’izany dia toa lasa vaky hoazy. Mila miverina tanteraka ny fiaraha-mientana sy fifampitokisana eo amin’ny roa tonta…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici