- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Miaramila voarohirohy ho mpanafika, nosamborin’ny pôlisy

Itaosy : Miaramila voarohirohy ho mpanafika, nosamborin’ny pôlisy

Saika raikitra ny fifandirana teo amina miaramila sy ny pôlisy, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny angom-baovao azo, dia miaramila iray, izay voarohirohy tamina resaka fanafihana  nitranga teny Ambohidrapeto, ny zoma teo no nosamborin’ny pôlisy. Tsy nanaiky izany fisamborana izany anefa ny naman’ity voasambotra, niaraka tamin’ny lehibeny, ka nilaza fa ho tonga teny amin’ny biraon’ny pôlisy teny Itaosy, nitazomana azy, hitaky ity naman’izy ireo ity. Saingy raha ny fantatra dia toa nilamina ihany izany. Raha ny zava-nitranga, dia nisehoana fanafihana mitam-piadiana teny Ambohidrapeto ny alin’ny zoma lasa teo. Fito lahy ireo olon-dratsy raha ny angom-baovao azo ary nitondra basy, sy nandeha môtô. Mpivarotra mpamongady iray no lasibatra tamin’ireo fotoana io, ary vola manodidina ny 50 tapitrisa ariary no lasan’ireo mpanafika. Niroso avy hatrany tamin’ny savahao ny manodidina ireo pôlisy tonga teny an-toerana. Ary tamin’ireo fotoana io no sendra lehilahy iray nitondra môtô, izay nampiahiahy rahateo ka niroso tamin’ny fisamborana izy ireo. Tsy hita kosa ny nanjavonan’ireo jiolahy hafa nanafika. Tamin’ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa miaramila ity farany. Araka ny fanazavana azo tamin’ny renin’ity olona voasambotra ity anefa, dia tsy olon-dratsy ary tsy isan’ireo mpanao fanafihana velively  ity zanany miaramila ity. « Resaka hafa mihitsy no nalehany teny Ambohidrapeto tamin’io fotoana io. Nony tonga teny anefa izy no nahafantatra, fa hoe nisy fanafihana teo amin’ilay toerana. Tamin’izay fotoana izay no sendran’ireo pôlisy nanao fisafoana izy ary dia io nosamborina io fa toa hoe mitovy akanjo taminy no sady mitondra môtô toa azy ihany koa ilay olon-dratsy ». Hatreto raha ny fantatra, dia toa hoe efa nafindra toerana fa tsy notazonina eny Itaosy intsony ity olona nahiahiana ho jiolahy ity. Efa mandeha  rahateo amin’izao fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana mahakasika ity raharaha ity, ary ho hita manaraka eo ny tohiny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici