- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversItaosy : Mpamaky trano nanapoahana basy

Itaosy : Mpamaky trano nanapoahana basy

Tsy afa-nitsoaka intsony fa tavela tao amin’ilay tokatrano novakiany ihany ilay jiolahy. Hany heriny dia niezaka niafina mafy tao ambony « plafond» …

Teny amin’iny faritra Itaosy iny, tao amin’ny fokontany Tsarahonenana, tovolahy iray 25 taona no voatery nosamborin’ny pôlisy, noho ny resaka vaky trano. Tratra ambodiomby teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ingahirainy, ny talata teo. Saingy tsy nahavita n’inona n’inona akory satria raha mbola teo am-panakorontanana trano izy no tonga ny pôlisy.  « Rehefa avy niasa ilay tompo-trano dia nahita ny tranony voakorontana tanteraka. Niantso ny polisy avy hatrany ity farany ka tsy niandry ela dia tonga tao amin’ilay niaram-boina. Rehefa niditra ny trano ireto polisy dia hita tokoa fa mbola vao sy ela no nanakorontanana ilay trano ary noahiana fa mbola tao anatin’ilay trano ny mpanao ratsy. Rehefa natao ny fisavana dia heno fa niafina tao amin’ny elanelan’ny tafo sy ny « plafond » ity jiolahy ity » hoy ny fampitam-bavaon’ny pôlisy. Nandefa fampitandremana ireto mpitandro filaminana mba hidinan’ingahy avy ao saingy vao mainka nifitsaka tsara mihitsy izy. Nihevitra fa raha hanao izany dia hiala ho azy amin’izao ny tompon-trano sy ireo mpitandro filaminana. Tsy izay anefa nitranga.  « Nanao ny fomba rehetra hampidinana ny mpamaky trano avy ao ambony « plafond » ny polisy fa nandà hatrany ity farany, hany ka tsy maintsy nanapoaka basy ireto Polisy mba hampidinana azy tao »

Marihana fa mbola tratra teny amin’ity olon-dratsy ity ny fitaovana nampiasainy nentiny nidirana tao amin’ity tokatrano ity, rehefa nidina soa aman-tsara avy tao amin’ny toerana niafenany ingahirainy, natahotra ny basy nipoaka.  « Tsy nahatondra na inona na inona kosa anefa izy noho ny fanakanana azy teo am-panatanterahana izany asa ratsy izany. Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny pôlisy ao Itaosy izy nanaovana fanadihadiana » raha ny fampitam-baovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici