- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Mpanao « facebook » iray nosamborin’ny pôlisy

Itaosy : Mpanao « facebook » iray nosamborin’ny pôlisy

Hatairana ny an’ireo mponina teny amin’iny faritra Itaosy iny, ny alakamisy lasa teo, raha tonga teny an-toerana nanao bemidina ireo andiana pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy, niditra tao amina tokantrano iray. Tovolahy iray no hitan’ny rehetra nosamborina tamin’io fotoana io. Tsy vitan’izay fa mbola nakorontana sy nosavasavaina avokoa ny tao an-tranony. Nivoaka avy tao ireo andiana pôlisy, nitondra azy, niaraka tamina solosaina sy karazana fitaovana infôrmatika. Azo an-tsaina fa resaka mahakasika aterineto no nisamborana ity tovolahy. Nanamarina izany rahateo moa ny teo anivon’ny sampana fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena fa misy tovolahy nosamborina teny an-toerana, noho ny resaka “facebook”. Tsy fantatra kosa hatreto na resaka inona na resaka inona tao anatin’ity tambajotra sosialy ity no anton’izao fisamborana. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka izy ireo, raha ny fanazavàna azo. Ny azo antoka aloha, dia na resaka fanalam-baraka na resaka mety hanohintohina ny filaminam-bahoaka no nahatonga izay zavatra izay. Efa maromaro ihany izay olona nosamborina noho ny resaka fanaovana “facebook” izay teto amintsika. Ary saika ireo zavatra roa ireo ny nisamborana sy nanagadrana azy ireo, ankoatra ny resaka fanelezana vaovao tsy marina, toy ilay tonelina nirodana, na ny vaksiny miady amin’ny pesta. Andrasana araka izany izay mety ho fanazavàna azo avy amin’ireo pôlisy mahakasika ity raharaha ity fa sanganehana be ihany ireo mpanara-baovao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici