Izy efa nikiaka niantso vonjeo no nanaitra ny olona teo amin’ny manodidina izay namonjy azy. Nijininika ny rà satria teo amin’ny tendany mihitsy no nitsatoka ny antsy izay nampiasain’ireo olon-dratsy. Notampenana ny faritry ny ratra ary nentina faran’izay haingana teny amin’ny hopitaly mba ho fanavotana ny ainy. Tetsy Ambavahaditokana-Itaosy ity tranga ity no niseho ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Izy hamonjy fodiana no nifanena tamin’ireo olon-dratsy. Hatreto dia fanendahana ny mety ho anton’ilay herisetra. Na izany aza anefa tavela teo ny kodiaran-droa izay nampiasian’ilay lehilahy. Ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana no afaka hamaly ny tena anton’ity fanindronan’antsy olona ity. Omaly dia tena nivarahotsana tanteraka ny mpampiasa kodiaran-droa raha nahita ny fizaram-baovao tao anatin’ny tambajotran-tserasera. Tsy vao voalohany mantsy no nisy ny tranga famonoana mpandeha môtô kanefa efa mba voafehy ihany izany nandritry ny fotoana lavalava. Mitady hiverina indray ary ve izany ny fanaovana lasibatra môtô misy mpitaingina? Mihodidina eo avokoa ny fanontaniana napetraky ny mpampiasa kodiaran-droa izay miady mafy aman’aina isan’andro. Eo ny lozam-pifamoivoizana vokatry ny tsy fahatomombanan’ny fotodrafitrasa ary eo koa ny fisian’ny mpangalatra môtô izay tsy miraharaha intsony ny manao ny asany na misy olona mitaingina aza eny ambony môtô.
D.R