- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversItaosy : Mpandihy tsy an’asa, lasa nibizina rongony

Itaosy : Mpandihy tsy an’asa, lasa nibizina rongony

Lehilahy iray 22 taona no voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ny andron’ ny alarobia teo teny Itaosy. Tra-tehaka teo am-pivarotana rongony ny lehilahy, izay mpandihy amin’ny tarika, saingy rehefa tsy misy asa dia lasa mandeha mibizina rongony.

Hatramin’izay ka hatramin’izao dia mbola tsy mety tapitra ity resaka ady amin’ny zava-mahadomelina mahery vaika ity. Na dia eo aza ny fisian’ireo mpibizina tra-tehaka etsy sy eroa dia mbola misy hafa hatrany miforona sy miditra eo amin’izany asa ratsy izany. Ary io tsy hanavahana na lahy na vavy. Ankoatra ity mpandihy tsy an’asa voasambotra teny Itaosy ity mantsy dia nisy vehivay iray ihany koa tra-tehaky ny polisin’ ny Stup teny Ankeniheny Tanjombato teny. Efa mpivarotra fanta-daza eny an-toerana io vehivavy io ary mivarotra rongony amin’ny sachet, izany hoe karazan’ny mpanao ambongadiny. Tamin’ity indray mitoraka ny anao vavy dia mba nieritreritra ny hitsinjara izany amin’ny fonosana, kanjo izao tra-tehaka izao.

Marihina fa samy mbola nahatratrana rongony amin’ny kilao teo daholo tany amin’izy ireto, na ilay lehilahy izany na ilay vehivavy, tamin’ny fotoana nisamborana azy ireo. Izy ireto izay samy misy mpamongady lehibe mpamatsy azy avokoa amin’ny rongony. Ny an’ilay vehivavy no fantatra fa avy any atsimon’ny Nosy any no angalany ireo zava-mahadomelina ireo ary ampitondraina mpitatitra sy raisiny aty an-drenivohitra fotsiny.

Notanana natao andrimaso avy hatrany ho amin’ny famotorana azy ireo eny amin’ny biraon’ny polisy moa ireto olona roa tratra ireto ary natolotra ny Fampanoavana omaly.  Heverina kosa fa mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana entina mamantatra sy hipaingotra ireto tena atidoha sy fositra niaingan’ireto rongony ireto.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici