- Publicité SW45 -
dimanche, octobre 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversItaosy : Mpanendaka raindahiny maty voatifitry ny pôlisy

Itaosy : Mpanendaka raindahiny maty voatifitry ny pôlisy

Vita ny aminy ! Anisan’ireo mpanendaka gaigilahy nampitondra faisana ny mponin’Itaosy ny manodidina iny, ity maty voatifitry ny pôlisy ny herinandro teo ity. Tontakely izay fantatra amin’ny anarana hoe Guista, araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy. Sendra ny tsy nampoiziny velively ingahirainy, raha iny nikasa ny hanao ny asa ratsiny iny, tetsy Amboatavo. Fanaony ny miafina ao anaty fasana, hoy ny fampitam-baovaon’ny pôlisy ka raha vao sendra mahita « haza » izy dia mipoitra tampoka, miaraka amin’ny fandrahonana sy antsy lava. Tamin’io fotoana io mantsy dia ireo pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’Itaosy, nanao ny fisafoana teny an-toerana no nandalo teo amin’ny toerana niafenan’i Guista. Nipoitra tampoka toy ny fanaony ingahirainy saingy efa polisy ny teo. Mbola tsy nanan-tsaina ny handeha handositra ihany anefa fa saika handeha hifampitana amin’ireto mpitandro filaminana. Nandrangaranga ilay antsy teny an-tanany. Voatery niaro tena sy nampiasa ny fitaovana teny aminy koa ireo mpitandro filaminana ka io niafara tamin’ny fampodiana ity jiolahy ity tany amin’ny varo-tsy-mifody. Marihina, hoy ny pôlisy, fa efa nisy teo amin’ny roa volana teo izay no nikarohana ity olon-dratsy, noho izy malaza ratsy eny an-toerana.

 m.L

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici