- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversItaosy : Mpanendaka roa lahy voasambotry ny fokonolona

Itaosy : Mpanendaka roa lahy voasambotry ny fokonolona

Ireo mpanendaka mpandravarava eny amin’iny faritra Itaosy iny.

Ny fiaraha-mientan’ny rehetra tokoa no ilaina ! Efa leo tanteraka ny trangana tsy fandriam-pahalemana manjaka eny amin’iny faritra Itaosy sy ny manodidina iny mantsy ireo fokonolona ka antso vonjy iray monja dia ampy hanosika azy ireo hiara-hisalahy hanenjika mpanendaka. Toy ny  nitranga ny alahady lasa teo, teny amin’ny manodidina ny « Cité ». Tokony ho tamin’ny roa tolakandro teo mantsy, dia lehilahy iray no lasibatry ny mpanendaka roa lahy. Tsikaritr’izy ireo nilalao finday teny an-dalana mantsy ity lehilahy ity ary narahan’izy ireo akaiky. Nosintonin’izy ireo tao anatin’ny indray mipi-maso izany ary lasa. Niantso vonjy avy hatrany ity voaendaka ity ary tsy nilasalasa mihitsy ireo nahita, nanampy tamin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy. Tonga hatreny an-tanimbary mihitsy ny fanenjehana ary teny rahateo ireto olon-dratsy vao tratra. Tamin’io fotoana io ihany koa moa no tonga teny an-toerana ireo pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’Itaosy, nitondra azy ireo tany amin’ny birao nanaovana famotorana. Fa ankoatr’ity teny amin’ny Cité ity, dia lehilahy iray ihany koa no voasambotra teny Amboatavo Tsarahonenana, ao anatin’ny faritr’Itaosy ihany, rehefa avy naka findaina tovolahy iray teny an-toerana. Tamin’ity indray mitoraka ity ihany koa, dia niantso vonjy ranamana raha vao lasa ny findainy, ary niara-nanenjika ilay olon-dratsy avokoa ireo fokonolona nahita. Saingy nahita hirika ary tafaporitsaka teo am-pelan-tanan’ireto mpanenjika ingahirainy. Nandray an-tànana ny raharaha avy hatrany moa ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’Itaosy, ka fantatra fa mponina eny an-toerana ihany ity mpanendaka ity. Fantatra hatramin’ny trano misy azy aza moa ka dia noraisim-potsiny sy natao sarika am-pandriana tao ny lehilahy. Niaiky ny heloka vitany rahateo moa ity farany, araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny pôlisim-pirenena hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici