- Publicité SW45 -
lundi, mai 20, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversItaosy : Mpangalatra misandoka ho mpiasan’ny JIRAMA

Itaosy : Mpangalatra misandoka ho mpiasan’ny JIRAMA

Lehilahy telo no niditra tao amin’ity tokan-trano iray ny alatsinainy maraina teo tao amin’ny fokontany Behenjy akaikin’ny volvo. Nandondona tahak’ireny mpanatitra faktiora sy mpijery kaontera ireny izy telo lahy, ny nahavariana anefa dia nitsofoka nankany amin’ny efitrano tsirairay izy telo lahy ary nanaramaso ny fandehan’ny fil isaky ny efitrano, teo am-pitetezana ny efitra anefa dia voatsikaritr’ireto jiolahy fa ny mpanampy sy ramatoabe ihany no tao an-trano, ka raha vao nahatazana ity ramatoabe ny iraika lahy dia nisioka toy ny nanome toromarika ho an’ny namany. Vao naheno ilay sioka ity mpanampy vavy dia nahatsapa avy hatrany fa toa hafahafa ireto vahiny, tsy nisalasala  fa tonga dia niantso vonjy teo amin’ny mpiara-monina manodidina ny andro rahateo koa moa maraina ka vetivety dia vory ny olona. Ireto olon-dratsy kosa vao naheno ny hiaka dia lasa nirifatra nandositra.

Nisy tamin’ireo mpiara-monina koa no niantso haingana ny Commissariat de police teny antampon’Itaosy ary ny sasany ny Borigadin’ny zandarimaria tetsy Bemasoandro, tsy ela dia tonga teny an-toerana ny roa tonta ka nanao ny fanadihadiana. Hisarihana ny saintsika fa tokony ho mailo hatrany izay mijanona ao an-trano fa ny ratsy tsy kely làlana fa ankoatry ny fanafihana amin’ny alina dia efa misy indray izao ny famitahana amin’ny antoandro ,ka raha vao tafiditra ao an-trano izy ireo dia manao ny fandrobana amin’izay. Ny Polisim-pirenena eny Itaosy  moa no misahana ny famotorana amin’ity tran-ganjavatra ity.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser