- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversItaosy : Mpangalatra nitsambikina avy eny ambony rihana, noraisim-potsiny

Itaosy : Mpangalatra nitsambikina avy eny ambony rihana, noraisim-potsiny

Izany ny aina ka te hanao … Tovolahy iray, handeha hangalatra, sy tra-tehaka teo am-pihaniana tranon’olona no noraisim-potsiny rehefa tsy afa-nitsoaka intsony, raha iny nianjera avy nitsambikina iny. Zava-nitranga tetsy Antanetikely, Ambanilalana Itaosy, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo. Raha ny fampitam-baovao azo dia nisy nahita ity farany, raha nihanika ilay trano. Tsy vita ny nihanika fotsiny ihany anefa fa efa nivonona ny hangalatra ireo vy tamin’ity trano ity mihitsy, ary tsy fantatra aza mety hanao amboletra hiditra tao amin’io tokatrano io. Vantany vao naheno izany ireo zandary no tonga avy hatrany teny an-toerana. Iry tontakely kosa mbola somokitra izay tsy izy, teo am-pakàna ireo vy no nahita tampoka ny fiaran’ny zandary tonga avy hatrany. Nentin’ny tahotra sy ny finiavana hitsoaka ingahirainy ka avy hatrany dia nitsambikina avy eny amin’ny rihana voalohany, hitsoaka ireo mpitandro filaminana. Kanjo notatazana fotsiny ihany koa tety ambany fa tsy afa-nitsangana intsony. Noraisim-potsiny fotsiny araka izany ity farany ary nentina nihazo ny biraon’ny zandary tao Itaosy. Notanana natao famotorana ary miandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici