- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Mpianadahy mpanendaka, ny lehilahy midaroka, ny vehivavy misintona ny entana

Itaosy : Mpianadahy mpanendaka, ny lehilahy midaroka, ny vehivavy misintona ny entana

Efa malaza ratsy eny amin’iny faritra Itaosy sy ny manodidina iny ireto mpianadahy mpanendaka ireto ary efa maro ireo olona nataon’izy ireo lasibatra. Ny talata lasa teo dia voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’Itaosy izy ireo, taorian’ny fanadihadiana nataon’ireto farany mahakasika azy ireo. Nisy rahateo koa moa ny fitarainana nataon’ireo olona niharan’izany fanendahana izany teny anivon’ny pôlisy.

Eny amin’iny faritra Ampasika iny ireto mpanendaka rain-dahiny ireto no mipetraka. 28 taona ilay lehilahy zokiny ary 26 taona kosa ilay vehivavy zandriny. Raha zohiana dia ankevitry ny mbola mipetraka amin’ny ray aman-dreniny angamba izy ireo satria rehefa nifampiresaka tamin’ny pôlisy ireto farany dia fantatr’izy ireo soa aman-tsara mihitsy izany asa ratsy ataon-janany izany. Nohamafisin’izy ireo aza fa hoe « efa fanaon’izy ireo io asa fanendahana io ary efa fantatry ny eo amin’ny manodidina izany ». Fitiavan-janaka sa tahotra ireto tontakely mpianadahy ireo no tsy nilazan’izy ireo izany tamin’ny mpitandro filaminana hatramin’izay? Efa maro moa, araka ny voalaza etsy ambony ny olona lasibatra ary saika mitovitovy avokoa ny fahavoazan’izy ireo. Ilay lehilahy zokiny no mitily izay olona hoendahina ka midaroka sy mamono avy hatrany rehefa tratran’izy ireo amin’ny takotakona. Ilay vehivavy kosa miezaka misintona sy manendaka izay entana lafo vidy sy ny vola any amin’ireo olona lasibatra..

Marihana fa isan’ny faritra mafana tokoa amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana iny faritra iny, manomboka amin’ny lalan’ Andohatampenaka iny, Ampasika, Itaosy sy ny manodidina rehetra. Ny sasany tamin’ireo olon-dratsy moa tsy tahotra tsy henatra fa na amin’ny andro antoandro aza dia sahy manambana amin’ny fitaovam-piadiana ireo olona anaty fiara, tratran’ny fitohanana eny an-toerana. Izy mianadahy ireto aloha izany no voasambotra. Inoana fa hanaraka tsikelikely eo ireo totakely hafa.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici