- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Mpianatry ny CEG miisa telo nalaina an-kerin’ny tamin’ny 4X4

Itaosy : Mpianatry ny CEG miisa telo nalaina an-kerin’ny tamin’ny 4X4

Manodidina ny tamin’ny telo ora tolakandro teo no nitranga ity fakàna an-keriny mpianatra ity. Raha araka ny fanazavana azo teny an-toerana dia nisy fiara tsy mataho-dàlana ary nisy vatan-dehilahy maromaro tao anatiny, naka an-keriny mpianatra mbola adolantsento miisa telo. Vavy avokoa izy ireo ary mpianatra eo anivon’ny CEG Andranonahoatra raha araka ny fanampim-panazavana azo. Nahoraka erak’Itaosy ny zava-nitranga ary tsy nisy afa tsy izany ny resaky ny olona omaly hariva. Tonga hatreny amin’ny “cité” izany feo izany ary na ny mpitandro ny filaminana ihany koa aza dia nanao fisafoana teny sady nanontany ny mponina. Noezahina notadiavina hatramin’ny omaly hariva ny olona tena nahita ny zava-nitranga, saingy tsy hita, raha araka ny vaovao azo teo anivon’ny mpitandro ny filaminana. Nanomboka teo amin’ny fanatonan’ny fianakavian’ny iray tamin’ireo telo vavy ireo farany no hita soritra ny fisian’ilay fakàna an-keriny. Na izany aza anefa dia mbola teo amin’ny honohono no betsaka noho ny tsy fisian’ny olona nahita maso. Omaly hariva ihany dia efa nanomboka ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. Raha toa ka “kidnapping” no nitranga, toa mampisalasala ihany ny hoe mpianatry ny CEG no niharan’izany. Ny antony dia satria vola no takian’ny mpanao ireny fakàna an-keriny ireny ho takalon’ny ain’ireo olona alainy. Nefa iaraha-mahalala fa tsy zanaky ny mpanankarena izany mihitsy no mianatra amin’ny sekolim-panjakana. Inona ary no tena ao ambadiky ny raharaha? Raha tsiahivina dia nisy tranga mitovy tanteraka tamin’ity tetsy Antaninarenina tamin’ny herinandro lasa teo, saingy tamin’io indray mitoraka io dia mpianatry ny oniversite iray tsy miankina no nalain’ireo olon-dratsy, izay tao anaty 4X4 ihany koa. Tamin’ity dia mba tafatsoaka ilay tovovavy ka avotra soa aman-tsara. Inona indray ary no tena tanjon’ireo olona mandeha 4X4 maka an-keriny tovovavy sy adolatsento?

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici