Manodidina ny 12 tapitrisa ariary teo ho eo no efa azon’ity mpisoloky ity tamin’ireo olona lasibatra. Milaza mantsy ny tenany fa hoe mpiasan’ny « centre immatriculateur » etsy Ambohidahy ka afaka manamboatra ny antontan-taratasin’ny fiara rehetra izay ilaina. Manomboka any amin’iny resaka fahazoahan-dalana mamily ka hatrany amin’ny fangalàna laharana sy famindrana ny tompon’ny fiara. Ny herinandro lasa ny lehilahy iray no voasambotry ny zandary avy etsy amin’ny borigadin’ny zandary Itaosy, taorian’ireo fitarainana marobe napetrak’ireo olona voasoloky. Tsy misalasala mihitsy mantsy izy maka vola aman’hetsiny sy aman-tapitrisany amin’olona miaraka amin’ny fampanantenana ny hahavita ilay taratasin’ny fiara haingana dia haingana. Mandeha anefa ny fotoana, tsy hita tany nanjavonana ny lehilahy ary tsy misy akory izay taratasy vita eo. Ny tena loza dia tapitra very tsy hita avokoa ireo antontan-taratasy tena izy nomena azy. Izay sady tsy any aminy no tsy tonga any amin’ny « centre » akory. Ireo izay mitaraina aminy moa, raha sendra hita na azo an-tariby ity farany dia voarahona avokoa ary milaza fa « mahafantatra olona ambony ny tenany ka tsy ho voasambotra izany ». Vono vorona ihany anefa, izany satria dia izao izy tsy namelan’ny zandary raha tsy tratra izao. Raha ny fampitam-baovao azo dia efa maro ihany ireo olona tratran’ity mpisoloky gaigilahy ity. Eto dia manentana ny rehetra ny avy ao amin’ny zandarimarim-pirenena mba tsy ho mora sodoka sy hatokitoky olona tsy fantatra, na inona fahamaikana na inona fahaporetana. « Aleo mba hanatona avy hatrany ny birao rehefa misy ilàna izany, hisorohana ny toa izao » hoy hatrany izy ireo.
m.L