Potika tanteraka ny tarehin’ilay ramatoa. Ny sofiny, notapahina ary nototaina tamin’ny vato ny tavany. Mitovitovy amin’izany ihany koa ny nahazo ilay rangahy vadiny izay niara-maty taminy ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo. Tsy nisy nahafantarana azy intsony izy mivady noho ny habibiana nihatra tamin’izy ireo. Mpivady izay monina ao Ambanilalana Itaosy, efa samy misotro ronono, no novonoin’ny olona izay mbola karohina aloha hatreto. Talanjona ny olona satria ilay trano dia sady misy vavahady avobe no misy mpiambina telo ihany koa, indray miandraikitra ny fiarovana ny tanàna. Ireo mpiambina ireo aloha no avy hatrany dia nentin’ny sampan-draharahan’ny pôlisy izay misahana ny fanadihadiana heloka bevava, any amin’ny biraon’izy ireo etsy Anosy, nanomboka ny sabotsy lasa teo. Tsy mbola nisy nipika ny fanadihadiana ary na ny fianakaviana aza dia nanapa-kevitra ny tsy nitantara firy ankoatr’izay nitranga aloha, mba ho fanajana izany. Raha ny fantatra dia nisy varavaran-kely iray izay tsy nihidy tao an-trano. Io hatreto no eritreretina fa nidiran’ireo olon-dratasy mpamono olona. Tsy nisy zavatra very ihany koa nandritra ity asan-jiolahy ity, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny fianakaviana. Dikan’izany, ny ain’izy mivady mihitsy no tena nofofoina. Efa lehibe izy ireo ary manodidina ny 70 taona eo. Avy aty ivelany dia tsy nisy varavarana nopitsohina mihitsy ary izay indrindra no nahatonga ny mpanao fanadihadiana avy hatrany dia nitondra ireo mpiambina mba hohainoina avy hatrany. Tokony ho tamin’ny folo ora maraina no nopitsohina ny varavarana rehefa voalaza fa niahiahy ny olona noho ireo mpivady mbola tsy nifoha ihany, tsy toa ny mahazatra. Anio hotontosaina ny fanitrihina am-bohitra ireo niharam-boina noho ny hetraketraky ny sasany. Miandrandra ny fianakaviana ny mba hivoahan’ny fanadihadiana faran’izay haingana ka hahatrarana ny mpanao ratsy…
D.R