Habibiana tsotr’izao. Omaly maraina tokony ho tany amin’ny 8 ora maraina ho any no nifamonjena tao an-tranony ireto mpivady roa ireto, teny Ambohidrapeto, Itaosy. Araka no vavao re dia nahitana faharatrana izy ireo. Niboiboika ny rà. Araka ny fantatra hatrany dia tsindron’antsy teo amin’ny tendany no nahatonga azy ireo nifamonjena io maraina io. Raha ny fanazavan’ny mpitandro filaminana dia toa hoe ny mpiasany ihany no nahavita izao habibiana izao. Mpiasa lahy tao an-tranony ary ankevitry ny mbola natory teo am-pandriana ireto olona roa ireto no nanaovan’ity mpanampy ity ny asa ratsiny. Soa fa nalaky voavonjy sy nahazo toeram-pitsaboana ireto olona ireto ka tsy misy hatahorana ny ainy araka ny loharanom-baovao teny an-toerana hatrany. Mbola tsaboina eny amin’ny hôpitaly izy olona ro ireto hatramin’izao. Hatreto aloha dia mbola tsy fantatra mazana ny anton’izao famonoana ankitsirano izao. Satria dia raha ny tenda izany no kendrena efa ny hamono hahafaty mihitsy no kinendrin’ity nahavanon-doza ity. Mandeha ny famotorana ataon’ireo mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao.
Mike L.