Tsy kely làlana ary mahita atao foana ireo mpanao ratsy. Amin’iny faritra Ambaniala Itaosy iny, maro amin’ireo mponina no mitaraina fa misy lehilahy iray, mampihorohoro azy ireo amin’ny basy. Tsy vitan’izay fa fantatry ny rehetra ihany koa ity lehilahy ity fa mpivarotra rongony rain-dahiny eny amin’iny faritra iny. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo mpitandro filaminana eny amin’iny faritra iny, nizaha ifotony ny zava-nisy, ny 24 novambra lasa teo. Ary dia tratra am-bodiomby tokoa ity rangahy ity, mbola teo am-pivarotana rongony tao an-tranony. Tamin’ny fisavàna ny tranony no nahitàna fonosan-drongony miisa 56, ary basy … kilalao iray. Ity farany ity no hampiasainy hampirohorohona ireo olona izay sendra azy, rehefa tsy mandeha iny ny tsenany, araka ny loharanom-baovao azo. Rahonany amin’ilay basy izany olona izany, ary takiany vola. Niaiky tanteraka ity asa ratsy atao iny moa ny lehilahy tamin’ny famotorana natao azy. Ny zoma teo no natolotra ny Fampanoavana ity mpivarotra rongony ity, ary nadoboka am-ponja avy hatrany.
m.L



