- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Mpivarotra voatafika, olona maty voatifitra, maromaro ireo naratra

Itaosy : Mpivarotra voatafika, olona maty voatifitra, maromaro ireo naratra

Nirefodrefotra indray ny basy teny amin’iny faritra Andohatajona Itaosy iny ny harivan’ny sabotsy teo. Mpivarotra iray eny amin’iny faritra iny no niharan’ny fanafihana, tokony ho tamin’ny fito ora tany ho any. Vokany, olona iray no namoy ny ainy, rehefa voan’ny balan’ireo olon-dratsy, maromaro kosa ny naratra vokatr’izay hatrany. Isan’ny toerana be olona raha iny faritra Itaosy sy ny manodidina iny, indrindra moa fa hoe ankatoky ny fety toa izao. Tamin’io fotoana io dia mbola maro tokoa ireo mpifamezivezy kanefa tsy nisy tahotra mihitsy ireto andian-jiolahy ireto, nanao ny asa ratsiny. Ny vola avy hatrany no notakian’izy ireo tamin’ilay mpivarotra. Ankevitry ny nandà angamba ity farany ka avy hatrany dia notifirin’izy ireo ary voa teo amin’ny lohany. Rehefa naka izay azo nentina tamin’izany trano voaroba izany izy ireo dia nitsoaka ary mbola nanapoaka basy ihany. Tamin’izay no nahavoatifitra ireo olona maromaro, izay samy naratra avokoa, raha ny fitantaran’ireo teny an-toerana. Asa tokoa na hoe efa maty paika tanteraka ilay fanafihana, satria dia toa voasaron’ilay afomanga, tamina lanonana iray niseho teny an-toerana ny feom-basy, eny fa na dia nitatatata tokoa aza izany. Taorian’io moa dia tonga avy hatrany teny an-toerana ireo mpitandro filaminana, saingy efa nafenin’ny alina ireto olon-dratsy ireto. Nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana kosa ireo naratra. Mirongatra izay tsy izy tokoa ny asan-jiolahy tato anatin’ny herinandro vitsivitsy izay, eny fa na dia eo tokoa aza ny ezaka ataon’ireo mpitandro filaminana, hisorohana sy hiadiana amin’izay. Raha ny herinandro lasa teo dia efa fanafihana maromaro ihany no nitranga teny amin’iny faritra Itaosy sy ny manodidina iny. Etsy andanin’izay anefa, tsy mikely soroka kosa ny eo anivon’ireo mpitandro filaminana ka nisy jiolahy rain-dahiny efa ela nifampikarohana  voasambotra teny amin’iny faritra Ambohidrapeto iny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici