Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ilay renim-pianakaviana namono ny zanany tsy nahy tetsy Itaosy ny talata lasa teo. Araka ny fanampahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana, taorian’ny fihenoana azy dia nalefa avy hatrany eny Antanimora ity ramatoa ity. Raha tsiahivina tokoa ny zava-nisy araka ny filazana azo dia notorahan’ny reniny tamin’iny fanoto vato ity ankizivavy kely vao telo taona monja, zanany. Voa teo amin’iny lohany ity farany ary naratra mafy. Niakarapoka nihosin-drà ary tsy nihetsika intsony. Raha ny filazan’ity renim-pianakaviana ity tamin’ireo mpanao fanadihadiana dia noho ny ditran’ity ankizikely ity no nampisendaotra ny hatezerany. Tsy nahatana ny fihetsiny intsony izy ary izay voarain’ny tanany teo no natorany avy hatrany tany amin’ilay ankizy. Nambarany tamin’izany hatrany fa « efa tratrany nangala-bola ilay ankizy ary nisy vola very tamin’io fotoana io tao an-trano ». Fihetsika kely tsy voahevitra fotsiny toy izao anefa dia nanimbàna ny fiainana iray manontolo. Tsy vitan’izay anefa fa namoizana tanteraka ilay sombiniaina, na inona na inona ditrany.
Tranga iray tokony hampieritreritra ireo ray aman-dreny rehetra ity zava-niseho tetsy Itaosy ity. Matetika tokoa mantsy ireo ray aman-dreny sasantsany lasa manao zavatra tsy am-piheverana intsony rehefa iny tezitra amin’ny zanany iny, indrindra moa fa hoe efa reraky ny adin-tsaina iny. Ilaina dia ilaina ny fifehezan-tena fa tsy azo atao velively ny entim-po be loatra. Ny zavatra toy izao tokoa mantsy ilay hanenenana mandra-maty.
m.L