Fanaon’ity raim-pianakaviana iray monina eo Ambanilalana ny mifoha maraim-be, raha araka voalazan’ny olona mahafantatra azy. Mandeha an-tongotra kely izy mamonjy ny toeram-piantsonan’ny fiarany izay eo amin’ny manodidina ihany no mipetraka. Efa zatra izay fomba fiainana izay izy mba hialàna amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana izay mafàna eny amin’iny faritra iny. Tamin’ity indray mitoraka ity, omaly manodidina ny tamin’ny dimy ora maraina, dia nifanehatra tamin’ny olon-dratsy ilay rangahy raha nizotra tamin’ny làlany mahazatra. Làlana feno rà no hitan’ny olona teo. Naratra be teo amin’ny lohany ilay rangahy ary noezahina nentina haingana tany amin’ny hopitaly ihany saingy tsy tàna ny ainy. Vao maraina izany dia efa nitrangan’ny heloka bevava teo Ambanilalana-Itaosy. Raha ny filazan’ny manodidina dia efa mafampana hatrizay iny toerana iny, kanefa kosa tsy tonga amin’ny vonoan’olona toy izao. Omaly ihany dia nanokatra fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana mba hahafahana mamantatra sy misambotra ireo olon-dratsy. Raha araka ny fanampim-baovao azo dia nisy entana very teny amin’ilay rangahy ka isan’izany ny solosaina. Miha-sarotra hatrany ny fiainana eto an-drenivohitra noho ny afitsoky ny asan-jiolahy. Toa ity rangahy izay hivoaka ny trano mba hiasa, hitady vola hamelomana ny ankohonana kanefa dia tsy nahita azy ireo intsony noho ny hadalàn’ny mpanao ratsy.
D.R