- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Nampaneno lakolosy ny fiangonana vao nitsoaka ny mpanafika

Itaosy : Nampaneno lakolosy ny fiangonana vao nitsoaka ny mpanafika

Tokony ho tamin’ny iray ora maraina, omaly, no nisehon’ilay tranga. Nisy andian-jiolahy nitam-basy nivezivezy teo amin’ny fokontany Ambaniala-Itaosy. Hatreo dia mbola tsy fantatra mazava ny saika hataon’izy ireo lasibatra. Sendra tsikaritry ny mpiambina ny fiangonana Katolika teo an-toerana izany. Io farany no nanapa-kevitra avy hatrany ny nampaneno ny lakolosim-piangonana izay nanaitra ny manodidina, satria nanakoako amin’ny fotoana tsy mahazatra izany. Nivoaka araka izany ny olona ary tao koa no nisy mailo avy hatrany ka nampandre ny mpitandro ny filaminana izay tonga haingana teo an-toerana, na ny zandary na ny polisy. Natao avy hatrany ny fisafoana teo amin’ny tanàna sy ny manodidina azy saingy efa tsy nisy hita intsony ny jiolahy na dia narahin-dia mandra-paharain’ny andro aza omaly. Raha ny tombatomban’ny mpitandro ny filaminana dia ny fiangonana no akaiky indrindra amin’ny mety ho lasibatr’ireto olon-dratsy ireto. Ireny zavamaneno sy fitaovana fanamafisam-peo ireny matetika no lasa rehefa mitranga ny toy izany. Soa anefa fa mailo ny mpiambina tamin’ity tranga tetsy Ambaniala ity. Vao nanakoako ny feon-dakolosim-piangonana dia rifatra nitsoaka ny olon-dratsy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici