Mpamaky trano ity andian-jiolahy ity. Telo izy ireo niaraka ny alin’ny alahady teo. Tao amin’ny trano iray efa tsy misy mipetraka intsony, eo Ambadifasika, no nandalo ny polisy mpanao fisafoana. « Tamin’izany no nisy jiolahy miisa telo nitsoaka avy tao anatin’ilay trano. Raikitra ny fifanenjehana ka voasambotra ny roa tamin’izy ireo. Ny iray kosa nampiasa ny antsy teny an-tanany mba entina namaliana ireo Polisy. Voan’ny bala io farany ary maty tsy tra-drano » raha araka ny fampitam-baovaon’ny polisy. Efa voarohirohy tamin’ny halatra miharo herisetra tao amin’ny fokontany Amboatavo-Itaosy ilay olona voatifitra raha araka ny polisy hatrany ary tsy vitan’izany fa mpamerin-keloka efa nokarohina hatry ny ela. Ireo roa lahy azo sambo-belona kosa dia tsy niandry ela fa vao vita ny fakàna am-bavany dia efa natolotra ny fampanoavana ary naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora.
‘D.R