- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Nanao tifi-danitra ny jiolahy

Itaosy : Nanao tifi-danitra ny jiolahy

Mba  hoentin’izy ireo hampitahorana ireo mpanara-dia azy, dia namoaka basy ary nanao tifi-danitra in-droa ireo olon-dratsy. Izany no nitranga teny Ambaniala Itaosy ny maraim-ben’ny omaly, tokony ho tamin’ny iray ora. Tokantrano iray teo an-toerana no nataon’ny jiolahy lasibatra. Tsy tontosa anefa izany, satria hitan’ny mpiambina ny niavian’ireo. Iretsy voalohany dia nampandre avy hatrany ny andrimasom-pokonolona izay vetivety dia vory. Nahita izany ireo roa lahy mitam-basy poleta iray dia avy hatrany dia rifatra nitsoaka. Teo amin’izay izy ireo no nampiasa ny basy teny an-tanany ka nanao tifi-danitra mba hampihemotra ireo mpanara-dia. Samy tonga teny an-toerana na ny zandary na ny polisy nony avy eo ary nanao fisafoana. Nezahina ny nijery ny manodidina, saingy efa tsy hita intsony ny olon-dratsy izay nampian’ny haizina mikitroka tamin’ny fitsoahan’izy ireo. Endrika iray manaporofo ity, fa ilaina ary tena ilaina ny fisian’ny andrimasom-pokonolona amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici