Lehilahy roa no nahavanon-doza. Ny iray 20 taona ary ny faharoa kosa 16 taona. Nataon’izy ireo tao anaty ronono sojà ny poizina entina handemena ilay tovovavy izay mbola tsy ampy taona koa (16 taona). Rehefa tsy tompon’ny tenany intsony io farany dia nohararaotina ara-nofo. Tsy vitan’izany fa mbola noraiketin’izy roa lahy tamin’ny « vidéo » koa ny zava-dratsy vitan’izy ireo. Rehefa taitra ilay tovovavy ka nahatsiaro izay nanjo azy dia mbola narahina fandrahonana ho faty raha toa ka mitoroka na mitantara izay nahazo azy. Tsy nahasakana ny niharan-doza tsy nitantara ny habibiana nanjo azy anefa izany. Nandeha ny fanadihadiana ary porofo nitohoka rahareo ny « vidéo » rehefa voasambotra ireo tanora roa lahy izay mivoana tanteraka ara-moraly. Mety azo eritreretina ho nisy nibaiko izy ireo ary nanome hevitra matoa tonga amin’ny zavatra tsy takatry ny saina toy izao. Sao mba ireny mpividy « vidéo » mamoafady amin’ny aterineto ireny indray?
D.R