Ny alakamisy teo no nosamborin’ny mpitandro filaminana misahana ny heloka bevava tetsy Itaosy ny lehilahy iray, antsoina hoe Ezekia, voarohirohy ho namono nahafaty ny rainy niteraka azy. Ny sabotsy teo no nohenoina teny anivon’ireo mpitsara mpanao famotorana teny Anosy, ary nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Raha tsiahivina kely ity tranga ity dia ny alarobia alina teo no nisy ny fifamaliana teo amin’ireto mpianaka, izay efa samy nentin’ny alikaola avokoa. Niafara tamin’ny fikasihan-tanana sy famonoana mihitsy izany tranga izany. “Ny alin’io alarobia 13 mey io dia nisy fifamaliana teo amin’i Ezekia sy ny Rainy antsoina hoe Rakotoniaina Jean Paul. Ny anton’ny fifamaliana dia noho ny resaka sakafo tsy masaka. Marihina fa samy efa mamo izy mianaka ireto. Tsy nijanona tamin’ny fifamaliana fotsiny fa tonga hatrany amin’ny fifampikasihan-tànana. Niezaka nivoaka ny trano i Ezekia mba hiala tamin’ilay fifamaliana tamin-dRainy, nefa nosintonin’ity farany. Nodakan’i Ezekia ny Rainy ka lavo nianjera teo amin’ny tokotany pavée, avy eo dia nakapokapony tamin’io pavée io ny lohan-dRainy. Tonga nanasaraka azy mianaka ny renibeny sy ny dadafaran’i Ezekia, ary nibata ny naratra niditra tao an-trano”, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy. Tamin’izay fotoana izay no nitsoaka ity tovolahy nahavanon-doza, raha niezaka namonjy ny naratra kosa ireo fianakaviana, saingy indrisy… “Nentina niala nenina teny amin’ny HJRA ny rain’i Ezekia nefa tsy tana ny ainy ny alakamisy 14 mai 2015 tamin’ny 2 ora sy 30 mn maraina”, hoy hatrany ny vaovao. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana an’ity tovolahy mpamono ray ity no niaikeny ny heloka vitany. Dia izay no vokatry ny toaka sy tsy fisainana kely monja : ny ray niteraka namoy ny ainy, ny tena nanimba ny fiainana iray manontolo, mety handany ny androm-piainana any am-ponja …
m.L